SENDIKA FISEMARE SY SMARM

Soloy tanteraka ny lalàna momba ny asa, hovay ny rafitra…


  • Alarobia 15 Oktobra 2025

Rariny sy hitsiny raha misy ny fitakiana satria tena tsy

mamaly ny filan’ny mponina intsony ny rafitra misy eto amin’ny Firenena. Mikorontana sy hanjakan’ny kolikoly, ka isan’ny fositra ny tsy fanarahan-dalàna, tsy misy zavatra mipetraka, hoy ny FISEMARE na Firaisan’ny Sendikan’ny Mpiasa Malagasy Revolisionera omaly. Misy lalàna efa nekena hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena kanefa tsy arahina. Nitambatra ireny dia izao ny vokany. Efa nanao antso foana ny Sendika, saingy tsy nisy valiny. Dia io fa ny vahoaka manontolo no mifarimbona satria ny vahoaka manontolo no miaina tsy fanjariana, toy ny zo fototra, jiro sy rano,… ka mijaly sy marary, hoy ny Filoha nasionalin’ny FISEMARE Randrianarison Francine Jocelyne. Milaza izy ireo fa tena mila fanovan-drafitra satria misy elanelana be ny rafitra sy ny olona. Zary lasa mamaha olana vonjimaika foana, tsy tena voavaha anefa,… ka isaorana ny tanora sahy nijoro namaky lay. Angatahan’izy ireo hosoloina tanteraka ny lalàna mifehy ny asa na « code de travail » mba hifanaraka amin’ny rariny, ny hitsiny, ny lalàna,… Miantso ny fanatsarana ny tontolon’ny asa ankampobeny toy ny fanaraha-maso ny tontolon’ny asa na « inspection de travail », ny tribonaly,… Nanamafy Rakotomalala Julio Sekeretera jeneraly lefitry ny FISEMARE, fa tsy voahaja ny « dialogue sociale » indrindra tamin’ny fitondrana vao niongana izay tena mpisetrasetra tonga hatramin’ny fanagadrana solontenan’ny mpiasa maneho hevitra,… Naneho ihany koa ny SMARM na Sendikan’ny Mpiasan’ny Rano sy Angovo Malagasy tamin’ny alalan’Atoa Lanto Rakotomalala, fa tolona ho amin'ny fahafahana sy fitakiana ny fisitrahana ny zo na zo tsotra na zo fototra no nataon'ny vahoaka malagasy manerana ny nosy ankehitriny. Ny mpiasa dia miaina isan'andro amin'ny tebiteby sy ny tahotra ireo mpitantana izay tsy miraharaha ny zo voafaritry ny lalàna. Ao amin'ny JIRAMA dia fangejana, fanaraha-maso ary fampiorohoroana ara-tsaina vokatry ny afitsoky ny sampam-pitsikilovana ampiasain'ny mpitantana ambony izay mamorona dosie handroahana na hampiakarana fitsarana na koa hanagadrana mpiasa,... Mitaky ny hanomanan'ny mpitondra dieny izao ny antontan-kevitra rehetra ilaina amin'ny fifamindram-pitantanana izay tsy maintsy hisy atsy ho atsy ary. Nanafatra sy nampitandrina ny mpiara-miasa tsirairay mba ho mailo satria ny lalitra oranjy omaly dia efa mivadika ho lolo maro loko ankehitriny, ka tokony ho tadidiana ny lasa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT