Sendika FISEMARE

“Karama farany ambany 1.000.000 Ariary no tanjona!”


  • Talata 23 Janoary 2024

Tsy hijanona mihitsy ny tolona sendikaly raha tsy tratra ny tanjona,

hoy ny sekretera jeneralin’ny Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera na FISEMARE, Mananandro Jean Raphael. Ny tanjona, hoy izy, dia ahoana no hisiana karama ampy sy mahavelona ny ankohonan’ny mpiasa? Ahoana no hisian’izany asa mendrika sy maharitra izany? Ahoana no hisian’izany fanajana zo sendikaly sy zon’olombelona izany? Mitohy ny tolona! Amin’izao moa izany dia ny mikasika ny fampiakaran-karama amin’ity taona ity. Mahavelombolo fa misy manohana ny antso nataon’ny FISEMARE hoe Andao hapetraka ilay karama mahavelona ka karama farany ambany 1.000.000 Ariary no tanjona! Efa mba misy mivoy sy miresaka izany. Antenaina mba ho izany resaka karama mahavelona izany no ho resaka mikasika ny fanondrotan-karama amin’ity taona ity. Raha sanatrian’ny vava tsy tratra izay tanjona izay dia hikarakara karazana atrikasa ho an’ny mpikambana FISEMARE fotsiny aloha izahay fa tsy hihemotra. Tsy maintsy hijoro hiady ho an’ny mpiasa malagasy tsivakivolo ny FISEMARE na sendika izy na mbola vao mikasa hiditra sendika. Tsy hoe mahazo minisitra vaovao dia hanantena fahagagana. Ngezabe ny olana misy eo amin’ny tontolon’ny asa ka raha ohatra ataontsika hoe ampihena ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny toeram-piasana ve ny fahazoana minisitra vaovao dia izay no hirariana? Tokony hahavita ny minisitra raha tena te hanao ary tsy maintsy miara-miasa ny 3 tonta dia ny sendika sy ny mpampiasa ary ny minisitera, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT