Actualités

Sempotra ny Air Madagascar Terena hiverina miasa ireo mpigrevy ?


  • Alakamisy 18 Jona 2015

Mbola nikatso tanteraka indray ny teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly. Tsy nisy sidina na dia iray aza afaka nandeha noho ny fahamafisan’ny fitokonana tarihan’ny sendikan’ny mpiasa. Namoaka fanambarana fialan-tsiny mihitsy omaly hariva ny mpitantana ny kaompania Air Madagascar noho ny fikorontanana sy ny fahasorenana naterak’izany.

 

 

Omaly ihany koa anefa dia nanambara ity kaompania ity fa tsy afaka ny hiantoka intsony ireo mpandeha (sakafo, hotely na toerana hatoriana) na dia eo aza ny fanafoanana ireo zotra. Nahatezitra ny mpandeha izany ka nisy tamin’izy ireo no nangataka fihaonana maika tamin’ny tompon’andraikitra teny Ivato. Nisy ihany ny marimaritra niraisana hita ho an’ny mpandeha sasany ka dia mbola niantohan’ny Air Madagascar izy ireo halina. Araka ny fantatra kosa anefa dia tsy afaka ny hiantoka intsony manomboka anio ny kaompania izay iaraha-mahalala ny fahasahiranany ara-bola izay mbola mitombo noho ny fitokonana. Nilaza ny hampahafantatra amin’ny mpanjifany ny fivoaran’ny toe-draharaha tao anatin’ny fanambarany omaly ny Air Madagascar. Mbola tena ankamantatra anefa ny momba izay fivoarana izay satria mihenjan-droa ny tady eo amin’ny sendikan’ny mpiasa sy ireo mpitantana. Ary vao mainka mety handrehitr’afo ny famoahana ilay taratasy manery ireo mpiasa hamonjy ny asany manomboka anio alakamisy. Re mantsy hatramin’ny omaly hariva fa ho avy eny Ivato ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo reg anio ka tsy fantatra na hanakana ny fitokonana izy ireo na hisambotra na hanery ireo mpiasa hamonjy ny toeram-piasana sy hampandeha amin’izay ireo sidina maro samihafa.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT