SEKOLY SIMBAN'NY

GEZANI TAO TOAMASÎNA


  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Mirotsaka mametaka ny tafon-trano ny Ray aman-dReny

Efa herinandro maromaro izao no tsy nianatra ireo mpianatra ao Toamasîna vokatry ny fahasimban'ny sekoly nateraky ny fandalovan'ny rivo-doza Gezani. Ho an'ireo mpianatry ny sekoly ambaratonga fototra ao Ambohijafy Toamasîna dia ny tafon-trano sy ny hazo mihazona izany no tena lasibatra. Voa hatramin'ny efitrano fisakafoanan'ny mpianatra na ny cantine hoy ny fanazavan'ny Talen-tsekoly. Efa tonga any an-toerana moa raha tsiahivina ireo karazam-pitaovana avy amin'ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary hanarenana haingana ireo karazana foto-drafitrasa simba any an-toerana. Ny FID kosa no mandray an-tanana ny fanakarama ireo olona manao ny asa. Ho an'ity EPP ao Ambohijafy Toamasîna ity dia ireo Ray aman-dRenin'ny mpianatra mihitsy no miara-mirotsaka an-tsehatra manamboatra ny tafon-tranon-tsekoly. Ny mba hahafahan'ireo menaky ny ainy miverina mianatra haingana no tanjon'izy ireo izay marihina fa lasa mipetra-potsiny sy varimbariana eny hatramin'ny nahasimban'ny sekoly. Betsaka amin'ireo foto-drafitrasa ao Toamasîna moa no mbola misy olana ankehitriny vokatr'izay takaitra mavesatra navelan'ny rivo-doza Gezani izay.
Pati
Légende : Tahaka izao ny fahapotehan'ireo sekoly ka tsy hahafahan'ny mpianatra mianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT