Actualités

Sekoly ambony UPRIM Hanangana oniveriste manara-penitra manaraka ny rafitra LMD


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014

Tsy mitsaha-mivoatra ny tontolon’ny fampianarana eto amintsika mba hananana tanora Malagasy sangany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiharana ny rafitra LMD izay mitaky fotodrafitrasa sy fitaovana manara-penitra. Mba hahafahana mamaly io filana io ary dia hanangana oniveriste manara-penitra ny sekoly ambony UPRIM.

 Eto Antananarivo afovoan-tanàna no ahitana azy io, misy efitrano miisa 18, toy ny efitrano fanaovana kaonferansa, ny  efitrano fikirakirana solosaina ahitana aterineto avo lenta amin’ny alalan’ny fibra optika, ary ny efitrano iray mahazaka olona manodidina ny 100 ( salle polyvalent). Hotokanana amin’ny volana novambra izy io, kasaina handraisana mpianatra amin’io taom-pianarana vaovao io. Nandritra ny famoahana ireo mpianatra 278 mianadahy ny sabotsy lasa teo no nahafantarana izany,  notolorana ny mari-pahaizana  Diplômes de technicien supérieur,  ny licence ary ny master I. Lalam-piofanana miisa efatra no narahin’izy ireo dia ny commerce et marketing, ny gestion et management, ny communication ary ny droit.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT