Hampahafantarina manomboka anio etsy amin’ny Carlton Anosy, ka haharitra roa andro ny “Salon de l’ISPM”.
Ny mpianatra avy eo amin’ity sekoly ambony ara-teknika avy eny Ambatomaro ity no hampiranty ny voka-pikarohany. Miisa 350 izy ireo no handray anjara amin’izany. Hampiavaka ny amin’ity indray mitoraka ity, raha noharina tamin’ny taon-dasa ny fitsinjarana in-droa miantoana ny fampirantiana. Mahatratra 350 mantsy ny vokatra haseho ny mpitsidika ka ny 175 amin’ny andro voalohany, ny 175 ambiny kosa ho amin’ny andro faharoa. Azo lazaina fa mahafehy tanteraka ny fianarana notrandrahiny ny mpianatra. Efa nisy ny fitsapana natao tamin’izy ireo tamin’ny volana jolay iny ary ireo mendrika indrindra tamin’ny fitsaran’ny mpampianatra no hiakatra eny Anosy izao. Tsy zoviana amin’ny famolavolana mpianatra ho tonga teknisianina ny ISPM amin’ny alalan’ny lalam-piofanana atolony ny mpianatra. Anisan’izany ny fikarohana amin’ny lafiny fambolena, ny fiompiana, ny teknolojia sy ny maro hafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.