Manatanteraka varavarana misokatra etsy Antsobolo ny sekoly ambony ISPM, entina hampirantiana ny voka-pikarohan'ireo mpianatra manomboka ao amin'ny taona voalohany ka hatramin'ny
taona fahadimy. Tanjona, hoy Razafindrahety Aimée, Talen-tsekoly ny hanazarana sahady ny mpianatra amin'ny resaka fikarohana ka hisantarana sahady dieny izao ny sehatry ny asa. Betsaka ireo mampiavaka ity varavarana misokatra ity raha oharina tamin'ny taon-dasa. Ankoatra ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fomba hoenti-manatsara ny manodidina mantsy dia hita ao anatin'ny voka-pikarohan'ny mpianatra ihany koa ny fisarihana ireo mpizahatany vahiny mba hijery ireo karazan-java-maniry sy loharanon-karena marobe mampiavaka antsika eto Madagasikara. Tsy latsa-danja amin'izany ny famokarana horonan-tsarimihetsika vita malagasy izay tanterahin'ireo mpianatra. Misy ny famoronana ireo karazan-javatra toy ny alika amin'ny alalan'ny solosaina mandritra izany izay voasokajy ho mpilalao fototra...Ny sabotsy ho avy izao no hifarana ny hetsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.