Ny Commissaire de Police, Hanitriniaina Ramiliarisoa, no nahazo ny salan’isa ambony indrindra na"Major de Promotion" tao anaty fiofanana nataony ao amin'ny sekoly ambonin’ ny Polisim-pirenena ao Frantsa.
Polisy avy amin'ny firenena maro samihafa manerana izao tontolo izao, raha ny fanamarihana, moa no niara-niofana taminy. Ny taona 2017 izy no nivoaka ho Commissaire de Police ary nisalotra ny andiany Fanilo, hoy ny fampatsiahivana. Nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin'ny lanonam-pamaranana no nilazany fa voninahitra sy rehareha ho an'ny fireneny ary ho an'ny polisy fa tsy ho an'ny tenany izao vokatra azony izao, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.