Actualités

Sekolin’ny zandarimariam-pirenena Napetraka ambany faneva ny andiany faha-75


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Lanonana telo sosona no notontosaina tao amin'ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena ao Ambositra ny sabotsy 10 oktobra teo.

 Anisan’izany ny fanehoana teo ambany faneva ireo mpianatra ho zandary mandrafitra ny andiany faha-75. Teo koa ny ny famindrana ny fanevan'ny sekoly tamin'ny andiany faha -75 ary ny fanaovana batemy na fanomezana anarana ny toby misy ny sekoly .Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria , ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Fantatra nandritra izany na nampitondraina ny anaran’ny "Jeneraly Andriamahefa Hemercellin" no anarana nisaloran'ny Sekoly manomboka izao. Raha tsiahivina kely dia manam-boninahitra jeneraly efa misotro ronono izay tonga nanatrika ny lanonana tao an-toerana ny jeneraly Andriamahefa. Nivoaka avy tamin'ny andiany voalohany tao amin'ny Akademia miaramilan’ Antsirabe izy ary "major de promotion" tamin'ny andiany voalohany tao amin’ity akademia iray ity. Izy ihany koa no manamboninahitra Kaomandin'ny Sekolin’ny zandarimariam-pirenena tao Ambositra voalohany; namorona ny "Feon'Anjomara, hira fanevan'ny Akademia miaramilan’ Antsirabe. Mbola izy ihany koa no namorona ny "Tanindrazana sy lalàna", hira fanevan'ny zandarimariam-pirenena; namorona ny "Reny iray dia", hira fanevan'ny Fikambanana vady zandary (FIVAZA) ary manam-boninahitra fakan-tahaka nandritra ny fotoany naha-amperin'asa azy. Tsiahivina moa fa miisa 1184 (1053 lahy sy 131 vavy) ireo mpianatra ho zandary mandrafitra ny andiany faha-75 naseho faneva tamin’io andron’ny sabotsy io.

Nangonin’i Pati sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT