Actualités

Sekolin’ny Miaramilam-Pirenena Naverina ny fampianarana teknika


  • Alarobia 17 Jona 2020

Nosoniavina omaly tetsy amin’ny Etamazaoron’ ny tafika tetsy Andohalo ny fifanarahana ho famerenana indray ny fampianarana teknika eo anivon’ny Sekolin’ny Miaramilam-Pirenena (SEMIPI).

 

 

 Tonga teny an-toerana ny Tale Jeneralin’ny Ministeran’ny Fampianarana sy ny Fanofanana arakasa ary natrehan’ireo manamam-boninahitra maro ity fifanaovan-tsonia ity. Nanambara ny teo anivon’ny Ministeran’ny fampianarana fa efa nisy hatrany ny ezaka natao niarahana tamin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena. Anisan’izany hoy izy ny fampidirana sy famerenana an-tsekoly ireo dahalo niova fo. Amin’izao fotoana izao kosa dia tsara indray ny famerenana ny fampianarana teknika izay efa nijanona nanomboka ny taona 1985 nohon’ny antony ara-politika tamin’ny fotoan’androny. Hisitraka izany ny SEMIPI any amin’ny LTP Beravina Fianarantsoa ary mbola ezahina hanenika ny firenena manontolo mihitsy ny fampianarana teknika mba tsy ho voatery hanovo fahalalana any ivelany intsony ireo mpiaramila mpianatra amin’io lafiny io. Natao ihany koa izany ho fanavaozana ny eo anivon’ny tafika mba hitombo sy hihitatra ny fahalalana fa tsy hionona fotsiny amin’ny fampianarana ankapobeny tahaka ny mahazatra hatramizay.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT