SEHATRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Nampidi-bola 327 miliara Ar ho an’ny fanjakana ny taona 2022


  • Zoma 21 Febroary 2025

Nanao tatitra ny asa vitany tamin’ny taona 2022 ny EITI na ny « Extractive Industries Transparency Initiative »

omaly teny amin’ny Mining Business Center Ivato, natrehin’ny Ministra tompon’andraikitra. Fantatra tamin’izany fa anisan’ny sehatra iray lehibe tsy nitsahatra ny nampidi-bola betsaka ho an’ny fanjakana Malagasy no sady nanatsara ny toe-karem-pirenena ny sehatry ny fitrandrahana sy ny fanondranana harena an-kibon’ny tany teto amintsika. Raha 97 miliara Ar mantsy ny lela-vola nampidiriny tamin’ny taona 2020 dia niakatra ho 260 miliara Ar izany tamin’ny taona 2021 ary tafakatra 327 miliara Ar tamin’ny taona 2022. Toraka izany koa ny fanondranana izay tsy nitsaha-niakatra ihany koa. Raha nanomboka tamin’ny 20% izany tamin’ny taona 2020 dia niakatra ho 34% tamin’ny taona 2021ary lasa 43,80% tamin’ny taona 2022. Anisan’ny nanamarin-toerana ny Ar sy mamporisika ireo mpampiasa vola hiara-kiasa amintsika izany hoy ny Ministra narahin’ny fangaraharahana hita taratra tamin’ny fomba fiasan’ny EITI. Mpiantsehatra maro moa no tonga teny an-toerana nanatrika izany tatitra nataon’ny EITI izany nahitana ny tale jeneralin’ny hetra… Nisy ihany koa mantsy ny fijerena ireo vola alohan’ny orinasa miantsehatra amin’ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany. Toraka izany ny mpitrandraka sy ny mpikaroka ary ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena. Ny EITI moa raha tsiahivina dia mitaky ny hampahafantarana ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany mba hahafahan’ireo mpiantsehatra mahalala ny lalana sy ireo tokony hoataony amin’ny asa fikarohana sy famokarana, ny rafi-dalana, ny fitsipika ary ny fifanarahana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra tonga nanatrika izany omaly teny Ivato !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT