Sehatry

ny angovo avy amin’ny masoandro


  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Nivoaka ireo teknisianina 24

notohanan’ny tetikasa « PHARE »

Navoaka ofisialy omaly 07 oktobra 2026, ireo tanora 24 nahavita ny fiofanana ho teknisiana momba ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro anatin’ny andiany « Mahomby ». Ny 15 niofana tao amin’ny LTP Alarobia ary 9 tao amin’ny LTP Toliara. Niofana sy nandalina io sehatra io nandritra 8 volana izy ireo, ka nifandimby tao anatin’ny fanofanana ny ara-teoria sy ny fampiharana teny anivon'ny orinasa. Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa « PHARE » ity fiofanana ity izay mikendry ny hampifanaraka ny fiofanana amin’ny filàn’ny sehatry ny asa, indrindra eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina sy ny herin’ny masoandro. Ankoatra ny fiofanana ho an’ny tanora an-tanàn-dehibe, ny Tetikasa « PHARE » dia mikasa ny hanangana « chantiers-écoles » any ambanivohitra, hanampy amin’ny fanofanana ireo mpandraharaha amin’ny fampidirana jiro eny ambanivohitra na « électrification rurale » sy ny famoronana asa vaovao amin’ny sehatry ny angovo amin’ny herin’ny masoandro. Amin’ny alalan’ity tetikasa ity, manangana tahirina fahaiza-manao nasionaly ny METFP, ahafahana manohana ny fampandrosoana ny sehatry ny angovo amin’ny herin’ny masoandro sy mamorona asa maharitra. Araka ny fanamarihan’ny tompon’andraikitra, “Ity dingana ity dia porofo mazava amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao nasionaly sy ny fanokafana làlana vaovao ho an’ny tanora amin’ny asa maharitra sy manaja ny tontolo iainana.” Nanome voninahitra ny lanonana omaly moa ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa Dr Todisoa Andriamampandry, ny « Chef de la coopération de la délégation européenne » Atoa Roberto Chilihiro, ny « Chef de la délégation de la coopération allemande » Rtoa Christine Plastrotman sy ny Délégué pays IECD Madagascar, Atoa Manitra RAKOTOARIVELO ary ny solontenan’ny orinasa ANKA Madagascar, Atoa RAMELSON Andrianina. Nanome lanja ny fiarahamiasan’ny METFP, ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara miombon’antoka ity tetikasa ity, ka ny andiany « MAHOMBY » dia hiditra avy hatrany amin’ny sehatry ny asa ary maneho ny ezaka amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny angovo eto Madagasikara.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

Hijery ny tohiny
FTT