SEHA-PIHARIANA LAVANILA

46 miliara Ariary ny vola voaangona ao amin’ny CNV


  • Zoma 15 Martsa 2024

Tafakatra 46 miliara Ar ankehitriny ny vola voaangona ao amin’ny kitapom-bolan’ny Filankevitra

nasionaly momba ny lavanila (CNV). Ao amin’ny kitapom-bolan’ny CNV ireo vola ireo ary tsy nisy nipika na ariary aza”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny Alatsinainy 11 Marsa teo raha namaky bantsilana ny momba ny vola 4 dolara isan-kilao alaina amin’ny lavanila haondrana mankany ivelany. Ahitana taratra ny risi-pon’ireo mpandraharaha amin’ny fanajana ny fepetra noraisina izany satria izao tafakatra 46 miliara Ariary izao ny vola voaangona. Anisan’ireo andraikitra sahanin’ny CNV moa ny fanatsarana sy fitandroana ny kalitaon’ny lavanila malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ahafahana mametraka laboratoara hitiliana ny kalitaon’ny lavanila alohan’ny hanondranana azy, ohatra, ny vola eo am-pelatanana. Taloha mantsy dia niteraka fahasahiranana izany satria tsy manana izay fitaovam-pitiliana azo antoka izay ny Sampandraharaham-panjakana. Naneho fahavononana hampanjaka ny mangarahara moa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) nanoloana ireo mpiara-miasa ao amin’ny Minisitera tetsy Ambohidahy ny Alatsinainy 5 Febroary izao. Niantso azy ireo izy hanao toy izany koa sy hiasa ho an’ny vahoaka.
Pati
Legende : Nandritra ny kabary notanterahin’ny Ministra Edgard Razafindravaha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT