Manana tetibola entiny manatanteraka ny asany ireo sefo ZAP na lehiben’ny fari-panentanana ara-pedagôjika izay voafaritra ao anatin’ny volavolan-dalŕna momba ny volam-panjakana. Raha ny filazan’ny sefo ZAP sasany miasa eto amin’ny Faritra Analamanga anefa dia tsy mahalala ny fisian’izany akory ny namany sasany ka tsy misitraka ny tombontsoa amin’izany....
Karazana tombontsoa izay entina manatanteraka ny asa toy ny fahazoana taratasin-tsolika, tambin-karama amin’ny famitana iraka, vola entina mikojakoja ny moto, ny fampitaovana ny toeram-piasana ary koa ny fahana finday. Namondrona ny hery ireo sefo ZAP miisa 138 miasa amin’ny DREN valo eto amin’ny Faritra Analamanga ka nanangana ny fikambanana «HASINA». Amin’ny alalan’ity fikambanana ity no hitenenan’izy ireo izay maharary azy satria ny firaisankina no hery. Mikasa handefa taratasy fangataham-panazavana amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazana momba ny fampiasana io lalambola natokana ho azy io koa izy ireo amin’ny anaran’ilay fikambanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.