Fotoan-dehibe nandritra ny fametrahana ny vato fototry ny fanorenana ny sampan’ny oniversiten'Antananarivo ao Antsirabe ka dia samy nanao ny litania fitakiana ireo tombontsoany avy ny rehetra.
Be moa no nanantena fa ny tenan'Atoa Filohan'ny Repoblika no ho tonga araka ny fanentanana maro samihafa satria izy no niahy ity hetsika ity saingy tsy tonga izy. Raha ny Ben'ny tanànan'i Vinaninkarena, ohatra, dia ny vola fanohanan'ny fanjakana ny Kaominina sy ny fanamboarana fotodrafitrasa no nahamay azy, ankoatra ny jiro sy ny rano fisotro madio ho an'ny Kaominina iadidiany. Mba nanararaotra ihany koa ny Lehiben'ny Fokontany ka nampatsiahy fa «mbola anananay volabe ihany koa ny fanjakana», izay tambin-karama moa ny filazana azy fa tsy karama akory nefa dia hodian'ny fanjakana fanina fotsiny satria tsy mba sahy mitokona izy ireo. Raha tsiahivina mantsy dia 30.000 Ariary isam-bolana raha be indrindra izany saingy mba nitohana nandritra ny 7 volana eo ho eo. Na kely aza moa dia zon'izy ireo izany ka nohararaotiny notakiana tamin'ireo Minisitra tonga tao. Nampanantena ny Minisitry ny fampianarana Teknika sy ny fanofanana arak'asa fa hampita izany amin'ny Minisitra mpiahy sy ny Praiminisitra ny hijerena izany tambin-karaman'ny sefo Fokontany izany. Dia mbola miandry indray ka asa na rahoviana vao hivoaka izany. Hafa mantsy ny nialoha ny fifidianana rehefa nanambana ny hitokona tsy hamoaka ny lisitra izy ireo dia natahotra ny fanjakana ka nivoaka ny voalan'izy ireo 9 volana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.