Actualités

Sefo Fokontany Miandry ny higadonan’ilay tambin-karama hitombo avo 3 heny


  • Zoma 17 Febroary 2023

Nandritra ny lahateny nataony ho an’ny Firenena ny 31 desambra 2022, nalefa tamin’ny haino amanjerim-panjakana,

dia nanambara ny filoha Andry Rajoelina fa hitombo avo telo heny ny tambin-karama ho an’ny sefo Fokontany manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara. Fepetra tokony hanan-kery amin'ny Janoary 2023. Fotoana fohy taorian’io, dia noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 18 janoary 2023 ny didim-panjakana mampiakatra ny tambin-karaman’ny Sefo Fokontany sy ny Lefiny, araka ny efa nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny lahateny nataony tamin’ny faran’ny taona 2022. Izay Sefo Fokontany nanontaniana hatreto, milaza fa tsy mbola nisitraka izany fampakarana avo telo heny izany. Na ilay fampakarana ny tambin-karaman’ireo sefo Fokontany ho 40.000 Ar raha toa ka 20.000 Ar izany taloha, voarakitra ao amin’ny teti-bola nasiam-panitsiana izay nolanian'ny Antenimierampirenena ny taona 2022 aza mbola maro no milaza tsy nandray. Ny asa anefa mitombo, indrindra anatin’izao fanavaozana ny lisi-pifidianana izao izay nitarin hatramin’ny 31 mey 2023 ny fanoratana anarana eny anivon’ny Fokontany, araka ny nambaran’ny CENI nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’izy ireo ny zoma 9 febroary teo.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT