Actualités

SECES Ankatso Mampiaka-peo ny Mpampianatra mpikaroka


  • Alakamisy 09 Jolay 2015

Hihaona amin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Ravelonarivo Jean ny mpampianatra mpikaroka ary hihaoana ihany koa amin’ny minisitry ny

 

Fampianarana ambony mba hiezaka hitady vahaolana amin’ny fanatsarana ny asan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny fanomezana azy ireo ny zony. Tsy fitokonana no atao fa fifanakalozan-kevitra mba hiadina ny zon’ny mpampianatra mpikaroka. Voakasik’izany ny tambin-karama ho an’ny fikarohana sy tambin-karama ho an’ny asa sarotra. Voaresaka teny Ankatso, nandritra ny dinika omaly ihany koa ny momba ny mari-karama vaovaon’ny mpampianatra mpikaroka. Ny tena manahirana ireo mpampianatra eny Ankatso dia efa voafaritra ho lalàna avokoa ireo fitakiana telo ireo fa dia ny rangopohy amin’ny fanatanterahana azy sisa no andrasana. Raha sanatria moa ka tsy mahavaha olana hatrany ity fifampiresahana ity, hoy ireo mpampianatra dia mbola hanohy ny hetsika sendikaly ihany izy ireo fa tsy mbola mieritreritra hiditra any amin’ny fitokonana avy hatrany kosa. Mbola hitohy anio moa izany dinidinika eny Ankatso ataon’ireo mpampianatra mpikaroka izany.

Andry Ratovo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT