Lehilahy vahiny iray efa mamomamo no nisotasota vehivavy izay nifanena taminy teny amin’ny fokontanin’Ampahimanga Ambohimanambola omaly takariva ary mbola nanimba fiaran’olona mijanona amoron-dalana ihany koa.
Teo anoloan’ny biraon’ny zandary mihitsy ny vehivavy iray farany mpanao gazety no noraisiny tamin’ny vozon’akanjony rehefa namaly sy nanosika azy ary saika mbola hodarohany raha tsy narovan’ireo namany izay niara-nisotrosotro taminy teny an-toerana. Mbola nakifikifiny sy nodarodarohan’ity lehilahy mbola tena erotrerony ity ireo vatan-dehilahy sy zandary nisambotra azy avy eo. Nitonona ho zandary izy nefa tsy nanan-karatra. Rehefa nanontanian’ny tena zandary izy dia nilaza indray fa injeniera informatika avy any Antsiranana. Nambarany moa fa avy any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy izy, fantany avokoa ny mpitondra fanjakana rehetra ka tsy hampigadra azy izany. Ireo nisambotra azy aza mbola norahonany indray fa raha vao afaka eo izy dia tadidiny daholo ny endrik’ireo nisambotra azy ireo, indrindra ilay vehivavy farany nanohitra azy ka hahita aminy. Notanan’ny zandary ao amin’ny tobin-janaparitra Ambohimanambola ny lehilahy rehefa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka tamin’ny farany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.