Actualités

Savorovoro teny Antaniavo Mpivarotra paoma efa nisotrosotro no fototry ny olana


  • Alatsinainy 06 Aprily 2020

Nitondra fanazavana mikasika ilay savorovoro nitranga teny Antaniavo ny sabotsy teo ny pôlisim-pirenena.

 

 

 Nambaran’izy ireo tamin’izany fa rehefa manao ny asany toy ny mahazatra amin’ny fanakatonana ny tsena sy ny fandefasana ireo olona mamonjy fodiana izy ireo dia nahita mpivarotra paoma iray mbola tavela teny an-toerana ka niangavy ity farany mba hamonjy fodiana ihany koa. Nilaza anefa ity farany fa mbola miandry vola any amin’ilay mpividy. Rehefa nanontanian’ny pôlisy indray ity farany dia nilaza fa efa voaloany ny vola ka teo no nitrangan’ny olana. Nanao fihetsika tsy voahevitra tamin’ny mpitandro ny filaminana mantsy ilay mpivarotra izay efa nisy fofon-toaka, hoy ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena. Voatery nifehy azy ny pôlisy noho izany anton’ilay faharatrany. Nentina avy hatrany tany amin’ny tobim-pitsaboana moa ity farany ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Nandravona sy nandamina ilay toerana nitrangan’ny disadisa kosa ireo mpitandro ny filaminana taorian’izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT