Tovolahy iray tokony ho 24 taona no fantatra fa naratra mafy noho ny savorovorom-piarahamonina
nitranga tao amin'ny fokontany Ambalantsotry, distrikan’i Mandritsara rehefa vita famadihan-drazana ny datin’ny 02 Septambra lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Raha ny fitantaran'ity tovolahy ity dia niara-nisotro tamin’ny tanora namany izy tamin’izany. Rehefa samy nahazohazo toaka izy ireo anefa dia raikitra ny sakoroka ka voatoraka vato teo amin’ny vavany ity tovolahy ity. Torana tsy nahatsiaro tena vokatr’izany izy no sady tapaka ihany koa nifiny iray. Avy hatrany dia nentina namonjy hopitaly ny anaolahy taorian’izany. Teo an-daniny dia efa voasambotra ilay tovolahy namany nahavanon-doza izay fantatra fa olona efa tsy madio intsony eo anivon'ny fiaraha-monina misy azy. Omaly Alarobia 04 Septambra moa no natao fanadihadiana teo anivon’ny mpitandro ny filaminana ilay nahavanon-doza.
Nangonin’i Pati
Legende : Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly ilay lasibatra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.