Niakatra fampanoavana omqly alakamisy 10 jolay maraina ireo Fokonolona nosamborin’ny mpitandro ny filamiana taorian’ny sakoroka naharatrana olona roa tao Antsapanimahazo-Antsoantany ny alahady 06 jolay teo
Tafakatra ho 30 ireo olona voarohirohy tamin’ity raharaha ity, anisan’izany ny Ben’ny tanànan’Antsoantany sy ny sefom-pokontany Antsapanimahazo. Nalaina am-bavany tao amin’ny Borigadin’ny zandary tao Andranomadio Antsirabe izy ireo ka nahatonga ny fe-potoana fakana am-bavany hihoatra ny 48 ora voafaritry ny lalàna noho ny hamaroany. Notanana am-ponja vonjimaika avokoa ny 28 tamin’izy ireo, navotsotra ny 2 izay zaza tsy ampy taona. Karazana fombafomba fotsiny moa ny fiakaran’ireto olona ireto tao amin’ny fampanoavana fa toa efa hotanana am-ponja vonjimaika avokoa izy rehetra ka dia ny fiaran’ny polisim-pirenena no nitatitra azy ireo nankao amin’ny fonjaben’Antsirabe nony avy eo. Tsy mbola voatondro ny fotoana hitsarana azy ireo. Nalahelo ny Fokonolona avy any Antsapanimahazo izay tonga marobe teo anoloan’ny Lapan’ny Fitsarana Antsirabe nanotrona ireo havany. Nambaran’izy ireo fa betsaka tamin’ireo olona nampidirina am-ponja ireo no tsy nahalala akory ny antony nisamborana azy raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ny havany satria nisy ny mpitsoka sodina handeha hamonjy famadihana tany Ambohibary no noraofin’ny zandary fotsiny izao. Teo ihany koa ny mpivarotra izay handeha hamoha tsena maraina ny alatsinainy nanaovana ny fisamborana no noraofin’ny zandary ihany koa ka nihidy any avokoa. Anisan’ny voalaza fa andetehana ny Ben’ny tanàna moa ny tsy nandehanan’ny findainy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpanao fanjakana tany Antsapanimahazo ka nampisendaotra azy ireo sy nilazana fa namono ny findainy izy ary tsy nandray andraikitra ka izao notanana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.