Actualités

Savorovoro tao Antsapanimahazo Misy be filaza sady mandainga


  • Alarobia 09 Jolay 2014

Misafotofoto be ihany ny raharaha mikasika ilay tranga tany Antsampanimahazo ny alahady 06 jolay teo.

Voalaza fa fikomian-bahoaka ka nisamborana olona maherin’ny 20 tany an-toerana izay nolazaina fa nobaikon’ny Ben’ny tanànan’Antsoatany raha ny tatitry ny manam-pahefana. Mifanohitra amin’io anefa ny tenin’ny vahoaka any Antsampanimahazo. Ireto farany izay manamafy ny nisian’ny fahaverezan’omby sy ny hena tratra tao amin’ilay rangahy tao Antsampanimahazo izay tsy mpivarokena akory kanefa mitety trano mivarotra nofon-kena. Nambaran’izy ireo fa Fokonolona avy any Mandritsara, nanara-dia omby very no tonga tao Antsampanimahazo rehefa nahita fa tonga tany ny dian’omby. Ny mpitandro ny filaminana indray nilaza fa havan’ilay olona voatonona ho nangalatra ny omby no tatitra azony. Tsy mifanaraka akory ny ora nahatongavan’ireo olona ireo. Nolazaina fa tolakandro no tonga izy ireo, hoy ny fanjakana kanefa dia nanamarina ny Fokonolona fa tamin’ny 8 ora sy sasany ireo Fokonolona nanara-dia ny omby very avy any Mandritsara ireo no tonga tao Antsapanimahazo. Nanambara ny mpitandro filaminana fa tsy nitifitra kanefa dia bala no nitsofoka teo ambany helik’ilay lehilahy iray tsaboina ao amin’ny hopitaly loterana Andranomadio Antsirabe ary piti-bala no nahavoa ny handrin’ilay iray tsaboina ao amin’ny Hopitaly Atsimo Antsirabe. Tao Antsapanimahazo moa dia nisy mpitandro filaminana nilaza fa taitra, hono, ilay zandary nitazona basy ka voakitika ary nipoaka in’efatra ilay basy ka ny iray no nahavoa tsy nahy ilay olona io. Notoherin’ny lehiben’ny mpitandro filaminana anefa io filazana io. Mandeha ny resaka fa vokatry ny fiaraha-miasa marisarisa teo amin’ny Ben’ny tanàna sy ny mpitandro filaminana no nitarika izao fisamborana faobe izao. Voalaza mantsy fa diso miandany amin’ny vahoaka maro an’isa loatra ingahy mera. Mitoby eo ivelan’ny Borigadin’ny zandary Antsirabe miandry ny fahavitan’ny fanadihadiana atao amin’ireo havany sy te hahita ny tohin’ny raharaha ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Raha tsy misy fiovana dia anio no hatolotra ny fitsarana izy ireo, rehefa dila ny 48 ora nitazonana azy ireo nanaovana fanadihadiana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT