Manao randra tarihana eran` izao tontolo izao ny savorovoro amin` ny fanjakana. Raha ny eto amin` ny kaontinanta afrikanina ohatra dia niafara tamin` ny fanonganam-panjakana ny tany Mali.
Tany Liban dia noterena hiaiky fotsiny ny praiminsitra sy ireo minisitra fa mpanao kolikoly ka nidina an-dalambe ny vahoaka. Ao anatin` ny aretina sy fahasahiranana ekonomika avokoa no mitranga izany, ary voakasika izany koa i Etazonia. Araka izany, ao anatin` ny rivotra politika no miainga ny fanakorontanana. Ireo firenena tandrefana no sisa hampitsoka ny mafana sy mangatsiaka eo amin` ny tontolo politika. Mijoro ho mpandamina ny vondrona eoropeanina amin` ny alalan` ny filohany, ny filoha frantsay Emmanuel Macron izay mitety izao rehetra izao. Maro ny fanehoan-kevitra milaza fa miroso ny fametrahana rafitra vaovao maneran-tany (nouvel ordre mondial) , tanjona ny hifehezana ny toekarena, politika, voafehy ho azy ny ambiny avy eo.Ny mpandinika dia mahafantatra tsara fa tsy misy ady na fanonganam-panjakana miseho fahatany fahatany izany fa misy tanjona mazava.Ary matoa misy ny miady sy mifandramatra am-bolana eny an-taonany maro aza dia misy ny mpamatsy vola sy fitaovam-piadiana.Tsy dia ny hoe iza no resy na iza no maharesy no tena zava-dehibe amin’ireny korontana etsy sy eroa ireny fa ny hoe : iza no nahita tombotsoa sy nahazo na hahazo vola misy kokoa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.