Actualités

Savorovoro ao Mahajanga Misy te hamboly ady an-trano ?


  • Talata 05 Aogositra 2014

Nidina an-dalambe omaly vao maraina ireo mpianatry ny oniversite ao Mahajanga. Saika hikasa hanakorontana ireo mpianatra manao fanadinana eny amin’ny IOSTM Mahajangabe izy ireto saingy tsy tontosa izany noho ny fiasan’ny mpitandro ny filaminana

Nanamparan’ireo mpianatra ny fony sy ny hatezerany ny entan’ireo mpivarotra rehetra izay sendra azy ireo toy ny teny  Mahabibo, Hotel de ville ary ireo mpivarotra teny amin’ny vy lava. Nisy sasany tamin’ireo mpivarotra no teo am-pamoahana entana ka voaroba, maro ireo entana very sy simba ary may. An-tapitrisany ariary maro no tentim-bidin’ireo entana norobain’ireo mpianatra raha ny filazan’ny mpivarotra. Voaporofon’ireo nanatri-maso fa nitondra fitaovan-piadina ireo mpianatra sasany toy ny antsy, basy ary baomba « cocktail molotov ». Fantatra fa fiara dimy nijanona teny amin’ny hotel 5*5 Mahajangabe no nopotehin’ireo mpianatra ka vaky ny fitaratra ary ny iray may vokatry ny fipoahan’ilay baomba. Fiarana mpitsangantsangana avokoa ireo. Tonga nandamina ny raharaha ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo-Reg saingy efa tsy tratra intsony ireo mpianatra mpitokona sy mpandrava. Ahiana hiteraka korontana ao Mahajanga ity raharahan’ny oniversite ity satria dia tsy hanaiky ireo mpivarotra sy olona hafa voaroba sy naratra ary mikasa ny hiakatra eny amin’ny campus Ambondrona izy ireo hifanandrina amin’ny mpianatra izay nanakorontana  azy. Ahiana hiteraka ady eo amin’ny samy sivily ity raharaha ity satria dia efa miala any sahady ny hotakotaka  isam-pokontany. Ireo izay nanatri-maso ny zava-nitranga tao Mahajanga omaly dia samy nanontany tena hoe : fa mbola tena fitakiana mpianatra marina ary ve ity mitranga ity ? Nahoana no mandroba sy manimba fananan’olona ? Nahoana no mitondra fitaovam-piadiana ny mpanao fihetsiketsehana sasany ? Sao dia efa paikady voaomana hanakorontanana ity resaka fitokonan’ny mpianatra ao Mahajanga ity ka hokitikitihana indray ny resaka fiaviana mba handrehetana adim-poko dia ho raikitra ny ady an-trano avy eo ? Tsy maintsy misy ambadika politika foana ny zavatra tahaka izao, fa anjaran’ny manampahefana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny fotsiny no mikaroka ny vahaoalana mba handaminana haingana ny raharaha. Ny mponina any an-toerana aloha dia efa manahy ny ratsy hitranga … atsy ho atsy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT