Actualités

Satanika sa Ambalavelona ? Very fanahy ny ao Antsampanimahazo


  • Sabotsy 14 Jona 2014

Toy ny mahita menarana roa hanaikitra azy ireo andriambavilanitra, ary misy olona miakanjo fotsy lava mitondra antsy lava manenjika azy no mampisavoritaka ny saina ho an’ireo olona voan’ity asan-devoly ity.

 Mipetraka baraingo ho an’ny olona ny hoe satanika sa ambalavelona no mahazo azy. Olona 15 hatreto no lasibatra tamin’izany asan-devoly izany ka 9 taona no kely indrindra ary 30 taona eo ho eo no lehibe indrindra. Tsy mahita hosarangotina ireo mponina ao anatin’ny zanabohitra Antsampanimahazo afa-tsy ny mitaraina amin’ireo mpitondra mahefa. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny avy ao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka sy ny fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro. Nasaina nanambara ny tao am-pony avokoa ny Fokonolona ary avy eo nodorana ny taratasy izay nanoratan’izy ireo ny olona mety nanao io asan-devoly io. Misy anarana Fiangonana zandriny voatonontonona amin’ity raharaha ity. Satanika na ambalavelona io amin’ny kristianina ka ny fanamafisana ny finoana no ahafahana miady aminy.Miandrandra vahaolana avy amin’ny fitondram-panjakana ny mponina any an-toerana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT