Mpiasa mpandray karama miisa 700 000 ihany no mpikambana eo anivon’ny CNaPS amin’izao fotoana izao. Ary ireo mpiasa mpamokatra aza hatreto dia tsy mbola manana izany fiahiana ara-tsosialy izany
. Mitohy hatrany arak’izany ny amin’ny fanitarana ireo mpiasa sahanin’ny Tahirim-pirenena. Isan’izany ny fanofana karakarain’ny CNaPS tamin’ny alalan’ny SASS na ny « Service d’Actions Sanitaires et Sociales » ho an’Antananarivo Avaradrano izay atao eny amin’ny Foyer St-Paul Ivandry nanomboka omaly talata 16 septambra ka hifarana ny zoma 19 septambra ho avy izao. Nofanina ireo mpiasa satria anjaran’izy ireo no manara-maso raha voaefan’ny mpampiasa na tsia ny latsakemboka hahafan’izy ireo misitraka ny zony. Toy ny mahazatra dia nozaraina roa ireo mpiofana ka ny andiany voalohany nahitana ireo mpampiasa sy ny solontena avy amin’ny orinasa tsy miankina, ny andiany faharoa kosa dia ireo délégé. Nambaran’i Ramatoa LOVASOA Fetra mpiofana avy amin’ny FISEMA (na ny Firaisan’ny Sendikan’ny Mpiasa eto Madagasikara) kosa fa ny ankabeazan’ny orinasa dia maka ilay 1% amin’ny karaman’ny mpiasa nefa tsy manefa izany akory any amin’ny CNaPS. Halatra izany hoy izy koa manentana ny mpampiasa ny tenany mba hanefa ny latsakemboka ara-dalàna any amin’ny Tahirim-pirenena mba hahafahan’ny mpiasa migoka ny zony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.