Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy io omaly maraina io ny "guichet automatique de certificat de situation juridique et Plan " ho an' ny distrikan` Atsimondrano. Manomboka izao arak'izany,
latsaky ny 5 minitra dia mahazo ny saritany (Plan) sy ny Certificat de situation juridique ireo izay tonga maka izany eny anivon'ny sampandraharahan'ny fananan-tany eny Anosy. Hisorohana ny filaharana , ady manoloana ny kolikoly ary hidirana amin'ny fanarahana ny fenitra no anton'izao fepetra izao. Ny distrikan` Atsimondrano no misitraka voalohany izao, aryy hihitatra izany raha ny fanazavan'ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Andrianainarivelo Hajo. Ankoatr` izay, napetraka ihany koa ny e-Fantatra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.