Sarimihetsika malagasy

Lafiny famoronana sy fanatontosana sisa tena olana


  • Alarobia 15 Janoary 2025

Ny lafiny famoronana sy fanatontosana, ireo sisa tena olana amin’ny sarimihetsika malagasy,

raha ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanaraka na koa tsy mbola mety voasariky ny sarimihetsika malagasy amin’izao fotoana izao. Hita ho efa misy ezaka ihany eo amin’ny fomba filalaon’ireo mpilalao sarimihetsika. Toy izany koa ny lafiny hetsika samihafa na «action» sy «mise en scène». Toy izany ihany koa ny lafiny ara-pitaovana saingy ilay famoronana na «scénario» sy fanatontosana na «réalisation» mihitsy no hita hoe mbola somary tery ny habaka na «horizon» ampifandraisana ny hetsika ao anaty sarimihetsika amin’ny tena zava-misy marina. Mbola lasa tazana ny tsianjerin’ny mpilalao sasany rehefa milalao. Misy hetsika mbola tsy mifanaraka sy miverimberina koa aza. Ny fenitra amin’ny faharetan’ny horonantsary toy ny hoe ora iray sasany fara faha keliny raha sarimihetsika na 30 minitra isanisany, raha horonantsary na tantara mitohy, izany hoe, «série» sy «novelas» dia heverina ihany koa fa efa voahaja amin’ny ankapobeny.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT