Sarimihetsika Lav’alina

Hitondrana fijery vaovao ny sarimihetsika malagasy


  • Alakamisy 14 Martsa 2024

Tanjon’ny Manjaka sary Production, hoy ny tomponandraikitra voalohany

eo anivon’ity trano mpamokatra sarimihetsika malagasy ity, Manjaka, ny hitondrana fijery vaovao izany antsoina hoe «Sarimihetsika malagasy» mba tsy ho tantaram-pitiavana na ravozana miady amin’ny vinanto foana no ao an-tsain’ireo mpijery rehefa miresaka hoe sarimihetsika malagasy. Taorian’ireo fitetezam-paritra vita, noho izany, dia ho alefa ao amin’ny CC ESCA Antanimena indray ilay sarimihetsika novokarin’izy ireo mitondra ny lohateny hoe «Lav’alina». Tonga dia ho jerena anaty 1 ora sy 40 minitra fa tsy elanelanina dokam-baritra ny sarimihetsika, hoy ity mpamokatra sarimihetsika ity, fa tsy elanelanina dokam-barotra na ilay amin’ny 11 ora maraina io na ilay amin’ny 2 ora tolakandro. Tantarana lehilahy mpikarama an’ady izay tsy nahafa-po ny mpampiasa azy ka nahatonga ity farany hamono ny vadiny izy io, hoy ny fanazavana, raha tsiahivina, ka rehefa izany dia niala tamin’io asa io ilay mpikarama an’ady. 2 taona taty aoriana, rehefa niova fitadiavana tanteraka tany ambanivolo anefa ity mpikarama an’ady ity dia nisy olona very zandry nila azy tanteraka ka teo no nitsimbadika indray ny tantara. 6 volana no nanodinana ny sarimihetsika ary mahatratra 70 isa ireo mpilalao ao anatiny. Saika natao tamin’ny alina kosa ny androatokon’ny fanodinana na «tournage» ary izay no maha lava alina azy. Fitatra Manaja kosa no teo amin’ny fanatontosana ary nanodidina tany amin’ny 45 tapitrisa Ariary tany no lany nanodinana ity sarimihetsika ity. Hatramin’ny nivoahany voalohany na «Avant première» ny 7 jolay 2023 tao amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka no mankaty dia mbola ity ihany aloha izany no sarimihetsika tokana novokarin’ny Manjaka Sary na dia efa hatramin’ny taona 2008 aza ireo ekipa ao aminy no tafavory, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT