Actualités

Saribao saika aondrana an-tsokosoko any Shina 4000 gony no tratra tao Toliara


  • Alatsinainy 27 Jolay 2015

Saribao miisa 4000 gony no saika haondrana an-tsokotsoko any Shina no tra-tehaky ny zandary tao amin’ny seranan-tsambon’i Toliara ny sabotsy las ateo

 

 

. Raha ny vaovao voaray dia tanan-kavanana solombavambahoaka iray voafidy any an-toerana no atidoha. Na dia teo aza ny tsindry bokotra isan-karazany hamotsorana ny entana  dia nogiazana ireo saribao noho ny fiaraha-miasa amin’ny Bianco.Araka ny lalàna velona tokoa mantsy dia tsy azo atao mihitsy ny manondrana arina fandrehitra mankany ivelany, nefa ny mahagaga ny maro no nilazan’ity mpandefa fa nahazo taratasy fahazahoan-dalàna manondrana saribao mankany ivelany avy amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny ala hono ny tenany.. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia efa misy tompon’andraikitra sy mpiasa ao amin’ny minisitera tontolo iainana sy ny ala arahi-maso amin’ity bizina ity.

Eric Manitrisa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT