Saran’ny « internet » midangana

Mikoroso fahana ny tontolon’ny asa ampitain-davitra


  • Alatsinainy 23 Septambra 2024

Tsy hoe mampikaikaika fotsiny fa tena mampijaly mihitsy ankehitriny ny politikan’ny fitsitsiana

voatery hidiran’ireo mbola misafidy na voatery hanatontosa asa ampitain-davitra na «travail en ligne» eto Madagasikara, raha ny fitarainana sesilany voaray hatramin’izay nidanganan’ity saran’ny fifandraisan-davitra eto amintsika ity. Iaraha-mahalala fa nalatsak’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na «opérateur téléphonique» miisa 3 eto amintsika ho miiba 3 heny eo fara-faha keliny moa ny tolotra omen’izy ireo ankehitriny, raha mitaha amin’ny teo aloha. Tsy misy na inona na inona efan’ny fitondram-panjakana manoloana izany nefa hatramin’izao na dia efa niova aza ny minisitra tomponandraikitra. Very an-javony koa ny asam-baomiera teo anivon’ilay hoe vaomiera misahana izany teny anivon’ny antenimieram-pirenena. Nilaza fa hanasazy na handray fepetra ireo orinasa tsy mampidina izay saran’ny fifandraisana izay teo ny fitondram-panjakana nefa tsy hita akory hatramin’izao. Miha mifanakaiky ny fandaniana sy ny vola miditra amin’ireo mpiasa amin’ny fifandraisan-davitra toy ny aterineto. Zara raha misy tombony, hoy ny fitarainana maro, sisa. Miandry fitondram-panjakana mahefa, araka izay anarana izay, noho izany, raha tena hahavita hanaporofo fa mahefa amin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra mpanararaotra mpanjifa ankehitriny tokoa izy ireo.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT