Saran’ny fifandraisan-davitra

Mbola mavesatra ho an’ny mpanjifa


  • Alatsinainy 02 Febroary 2026

Tsy voatery hifampitaha amin’ireo

firenena efa iantohan’ny fitondràm-panjakàna ny fifandraisan-davitra any aminy akory na koa hoe iantohan’ny fitondràm-panjakana ny saran’izany any amin’ireo orinasa saingy hita ho mbola mavesatra ho an’ny mpanjifa kosa na dia efa nisy fanamboarana aza ny saran’ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo mpanjifa. Aza avela hararaotin'ny mpandraharaha amin’io sehatra io amin'ny tolotra mpamosavy sy fanambakàna kosa izahay vahoaka, indrindra, ny tanora, hoy ny antsoantson’ireo tanora! Ataovy mirary tsy mifanambaka ny saran'ny antso sy «connexion» na fifandraisan-davitra ary ny fifanakalozam-bola amin’ny finday, izany hoe «mobile money» fa tsy hiandry fitokonana foana vao hihaino vahoaka, hoy hatrany ireo fanehoan-kevitra! Isan’ny sosokevitra moa ny hoe tokony ho 500 Ariary ny 1Go ary maharitra 7andro, ohatra, mikasika ny fifandraisan-davitra ilaina amin’ireo tambazotran-tserasera na «connexion» izay fa tsy toy ny an’ny sasany hoe 1000 Ariary ny 512Mo in-droa, izay manomboka amin’ny 11 ora alina vao azo ampiasaina ilay tapany faharoa ary amin’ny 5 ora maraina dia efa tsy manan-kery intsony. Tolotra mpamosavy, hoy ny filazan’ny mpanjifa azy satria ho sarihina tsy atory izany ny mpanjifa fa hampiasa ilay tolotra manomboka amin’ny 11 alina ka hatramin’ny 5 maraina.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT