Mety hiakatra 750 Ar hanomboka amin’ny alarobia ny saran-dalana eto an-drenivohitra raha toa ka tsy misy ny fanapahan-kevitra raisin’ny fitondram-panjakana.
Io no hevitra tapak’ireo mpitatitra mivondrona ao anivon’ny UCTU, mpitatitra eto an-drenivohitra taorian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika nanomboka ny herin’ny sabotsy alina lasa teo. Tsy afaka ny hionona amin’ny saran-dalana 400 Ar intsony izahay, hoy ireo mpitatitra satria tena maty antoka. Manginy fotsiny ny lalana ratsy eto an-drenivohitra, hoy hatrany izy ireo izay tena manimba ny fiara tokoa ankoatra ny fitohanana lavareny etsy sy eroa. Raha manome fanampin’ilay fanampiana teo aloha 140 Ar isaky ny litatra ny fanjakana, hoy hatrany izy ireo dia tsy hihetsika ny saran-dalana. Na izany aza anefa dia avo roa heny no takian’izy ireo izany hoe : manodidina ny 150 Ar any ho any ka tsy fantatra na ho zakan’ny fitondrana na tsia. Andrasana, araka izany, izay mety ho tohin’ny raharaha. Ho an’ireo mpanjifa kosa dia tsotra ny valin-tenin’izy ireo ny amin’ny tokony hitadiavan’ny fanjakana vahaolana maharitra satria na dia ny 400 Ar aza dia mila tsy ho takatry ny rehetra intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.