Hijanona ho 400 Ar ihany ny saran-dalana eto an-drenivohitra ho an’ireo mpitatitra mivondrona ao anatin’ny UCTU
. Izany no nambaran’ny filohan’ny UCTU Andriambinintsalomora Bernardin nanoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo tamin’ny faran’ny herinandro teo ny amin’ny tsy maintsy hampiakarany ny saran-dalana ho 750 Ar nanomboka omaly. Efa niresaka tamin’ny fitondram-panjakana izahay, hoy hatrany ity filohan’ny UCTU ity ary nanaiky ny hanome ilay fanampiana 150 Ar ambonin’ny 140 Ar isaky ny litatra efa azonay izy ireo, izany hoe 290Ar amin’ny 30 litatra tokony ho fandaniana isan’andro. Na izany aza anefa dia mbola tsy ampy anay io fanampiana nekeny io satria dia any amin’ny 440 Ar any ho any isaky ny litatra no tokony ho azo vao tena hilamina izahay, mitovy amin’ny fanampiana nomena anay tamin’ny taona 2008-2009. Milamina, araka izany, iny raharaha momba ny fiakaran’ny saran-dalana iny saingy na izany aza mbola miandry ireo mpitatitra satria amin’ity volana jolay ity vao hivoaka izany.
Omaly ihany dia namoaka fanambarana ny teo anivon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ATT tamin’ny alalan’ny Tale jeneraly, kolonely Rakotondrazaka Andriatsarafara, fa tapaka avy hatrany ny fanonerana ara-bola ho an’izay taksibe manondrotra saran-dalana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.