Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Nandritra io no nilazan’ity Filoha ity fa maherin'ny dimy ny tetikasa fananganana hotely kintana dimy kasain'ny fitondram-panjakana ho tanterahina amin’ity taona 2025 ity. Teo ihany koa ny filazana ny fanamboarana sy fitokanana ho ela ny "village artisanal" eny Ivato ho an’ireo mpanao asa-tanana. Mikasa ny hampitombo ny sidina avy any Emirà Arabo Mitambatra ny Fanjakana, ary eo an-dalana ihany koa ny fampitomboana fifandraisana amin’i Shina, Inde, Alemaina ary Israel raha ny serasera natao. Voizina mafy, fa vokatry ny ezaka mitohy, ny fampirisihana ny sehatry ny fizahan-tany sy ny asa-tanana, izay mahazo toerana ambony amin’ny fampidiram-bola avy any ivelany, dia anisan’ny laharana fahatelo eto amin’ny firenena ireo, ary mandray anjara amin’ny 14 % amin’ny harin-karena faobe. Ny fizahantany dia nahavokatra vola 780 tapitrisa dolara tamin’ny 2024 ary miasa mivantana ho an’ny mihoatra ny 350 000 olona any Madagasikara. Zava-dehibe izany, ary ekena fa tena azo trandrahana sy ampiroboroboana ny fizahantany eto. Afaka mampiditra vola vahiny betsaka, mamorona asa maro,… Betsaka anefa ireo fepetra takiana aminy : antoka, fandriampahalemana, làlana, fitaterana an’habakabaka,… Mahaontsa ny mandre fa ampitomboina ireo sidina sy fifandraisana amin’ireo firenena maro, kanefa ny Air Madagascar novonoin’izao fitondrana izao. Manana andraikitra amin’ny resaka fizahantany ny Fanjakana kanefa tena anjara asa maika ho an’ny Fanjakana ve ny fananganana Hotely kintana 5 ? Toa zary lasa toe-javatra maneho sy manamafy fa tsy rototra sy tsy taitra amin’ny tena fahorian’ny Malagasy i Andry Rajoelina fa mitady tany malemy hanorenam-pangady ? Taorian’ny fampanantenana poakaty fa hanafatra ireo biby tsy fahita eto kanefa ny antsika tapitra ripaka tsy voaaro dia mifoha indray ny resaka hotely kintana 5 ? Na io hotely kintana 5 io aza efa tafiditra tao anaty fampanantenana poakaty satria efa noresahana herintaona lasa volana jona toy izao, dia io averimberina io. Mety efa vonona ny mpiara-mibizina toy ny Arabo ? Tena izany ve no andrasan’ny vahoaka manoloana ny olana sy krizy ara-toekerana sy sosialy ankehitriny ? Mitohy ny laharam-pahamehana kisadasada ka any amin’ny tsy anjarany no handanian’ny mpitondra vola sy rondoha ? Toa misy endrika maneho fa tontolo sy toe-draharaha samihafa mihitsy no iainan’ny vahoaka 30 tapitrisa sy ny mpitondra farantampony ! Samy manana ny olany sy ny manahirana azy marina !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.