la ny ela fa tonga niditra tao amin’ny birao fiasan’ny sampandraharahan’ny fananantany etsy Anosy omaly ny kolonely iray nitarika ireo mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo Reg tonga teny an-toerana. Antony, raha araka ny fanazavan’ity kolonely ity dia tonga hanara-maso izy ireo sao misy korontana, hono,.
E Nivezivezy tao amin’ny birao ity tompon’andraikitra ity raha araka ny fanazavan’i Hong Wa Stephen, tompon’andraikitra ao amin’ny sampandraharahan’ny fananantany no sady nangataka tamin’izy ireo ny amin’ny tsy hanakanana ireo olona hiditra mikasa hanao taratasy ao amin’ity sampandraharaha iray ity. Raha araka ny fanazavan’I Hong Wa Stephen hatrany mantsy dia namoaka vaovao ny ministeran’ny fanajariana ny Alatsinainy lasa teo fa efa misy olona te-hiasa eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany ary afaka mandray olona, vaovao izay nambarany fa tsy fantany izay niavian’izany. Ho azy ireo mantsy dia mbola mitohy hatrany ny fitokonana mandrapivalin’ny fangatahana nataon’izy ireo ka anisan’ireny ny famerenana ny tokony handinihina indray ny pôlitikan’ny fananantany eto amintsika mba ho tombontsoan’ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.