Actualités

Sampana mpamonjy voina Toamasina Tsy ampy fitaovana


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014

Sampan’asa iray eo anivon’ny kaominin’i Toamasina ny sampana mpamonjy voina sy hain-trano. Na manana andraikitra mafy sy maro aza ity sampan’asa iray ity ao Toamasina, dia miaina amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana. Ny omen’ireo mpiara-mimbona antoka ihany koa anefa tsy misy fikarakarana eo anivon’ny kaominina tompon’andraikitra. Vokatry ny fiteten’ny trano hatorian’ireo mpiasan’ny mpamonjy voina sy hain-trano amin’ny asany, dia voatery nangataka fanampiana tamin’ny minisitry ny asa vaventy amin’ny naha ben’ny tanàna azy teo aloha izy ireo, satria na fanitso mbola azon’ny kaominina vidiana hanatsarana ny fandraisana ireo mpiasa aza tsy natao

 Ny minisitra amin’ny anaran’ny tenany manokana no nanolotra fanitso 25 entina hanafoana ny tranon’ny mpiasa izay natolony ny sabotsy teo. Raha ny fanazavan’ny Kly Charles Désiré lehiben’ny servisy misahana ny sampana mpamonjy voina sy hain-trano ao amin’ny kaominina, dia niisa 84 ny hain-trano novonjen’izy ireo ny taona lasa ka ny 6 tamin’izany no vokatry ny doro tanety; niisa 23 kosa ny razana nalaina an-dalana ka ny antsasamanilany dia zaza rano avokoa ; 03 kosa ny maty an-drano ka ny 02 an-dranomasina. Nomarihan’ny Kly Charles Désiré anefa fa ny volana oktobra hatramin’ny febroary no tena mampirongatra ny hain-trano, ka ny antony be indrindra dia ny tsy fitandremana sy ny fampiasana tariby mitondra herinaratra “tsy manara-penitra”. Ankoatra izaynandritra ny fito volana izay dia efa 27 sahady ny famonjena trano may nataon’izy ireo. Nomarihan’izy ireo fa tsy ny 18 intsony no hahazoana azy fa ny 020.53.322.18. “Aoka tsy hananihany fa io no tena olana goavana ho an’ny sasany miantso anay eto ka tsy hamantarana ny tena marina”, hoy ireo mpamonjy voina Toamasina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT