SAMPANA MPAMONJY VOINA

Nanamboatra ireo « bouches d’incendie» hanavotana ny haintrano


  • Alakamisy 11 Janoary 2024

Misy hatrany ny haintrano eto an-drenivohitra sy ny manodidina isan’andro

na dia ao anatin’ny fotoam-pahavaratra , heverina ho mahabetsaka ny orana aza isika. Mety ho avy amin’ny court circuit mantsy izany raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra nefa mety ho avy amin’ny fampiasana labozia hanazavana ny ao an-tokantrano ihany koa rehefa sanatria tapaka iny ny jiro….Miezaka hatrany ny sampana mpamonjy voina manoloana izany manatsara ny fomba fiasany hahafahana manavotra ireo fianakaviana lasibatry ny haintrano. Bouche d’incendie miisa 40 omaly no namboarin’izy ireo ka ankoatra ny teny Analakely misy ny toeram-pisakafoanana Zaimaika dia nasiam-panamboarana ihany koa ny teny Anosy. Raha araka ny fantatra mantsy dia lasa hataon’ny olona sasany fatsakan-drano ireny bouche d’incedie simba ireny hany ka miitatra hatrany ny fahavoazany. Tanjona ny mba hahafahan’izy ireo misintona rano sy miasa avy hatrany raha sanatria ka misy voina mitranga eny amin’ireny toerana ireny fa tsy hiandry ny fokonolona hatsaka rano etsy sy eroa vao hamono ny afo, fotoana efa tokony hahavitana mamoaka ny entana…
Pati
Legende : Mihetsika ny sampana mpamonjy voina hahafahana miady amin’ny haintrano !

Entrer


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT