SAMPANA MPAMONJY VOINA

Miatrika fiofanana momba ny fampiasana “drone”


  • Alatsinainy 17 Martsa 2025

Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».

Mandrato fiofanana mahakasika izany indrindra ny eo anivon’ny Vondron’ny Mpamonjy Voina hatramin’ny faran’ny herinandro teo ka miisa folo (10) ireo mpiofana. Haharitra dimy andro ny fiofanana iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka iray avy ao La Fratsa. Hatolotra avy hatrany ny Mpamonjy Voina an’ Antananarivo moa ny "drone" miisa valo (08) "Fantome 3 anankiroa(02), Dji Mini 3 miisa (06)" nampiasaina aorian’ny fiofanana. Hahafahana manao fitsirihana sy tatitra ao anatin’ny fotoana fohy ary miaro ny loza mety hiantraika amin’ireo Mpamonjy Voina moa ity fitaovana izay manaraka ny teknolojia ity. Efa manomboka manana fitaovana manaraka ny fivoaran’ny toetr’andro araka izany ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana, raha efa mba antonony ihany koa ny isan’ny olombelona.
Pati
Legende : Eny amin’ny toerana malalaka mihitsy ireo mpiofana no miatrika izany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT