Actualités

Sampana fanantenana Nampahafantatra ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara


  • Alakamisy 01 Jona 2023

Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.

Toraka izany koa ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka sy ny aretim-bavony. Nanala ny adidiny nampahafantatra izany ny Sampana Fanantenana omaly tetsy Analakely, nanoloana ny tsangambato Jean Ralaimongo. Nisy mihitsy ny resaka kely nifanaovany tamin’ireo tanora sy olon-dehibe nandalo teny an-toerana ka anisan’ireny ny fandraisana zava-mahadomelina toy ny roro izay mihanaka tanteraka ihany koa eto amintsika. Ankoatra ny sampana fanantenana moa dia nitety sekoly nanentana ireo tanora mpianatra ihany koa ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo omaly. Nambarany nandritra izany fa raha vantany vao zatra miankin-doha amin’ny zava-mahadomelina ny olona iray dia lasa manaotao foana ary tonga hatrany amin’ny fangalarana sy fisolokiana amin’ny manodidina izany. Fantatra moa fa hatsangana ny fikambanana hivondronan’ireo ministera isan-tsokajiny hahafahana miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto amintsika. Nankalazaina omaly Alarobia 31 may ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny tsy fifohana sigara.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT