Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady
hatao amin'ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky ny Sampana Fanantenana eo anivon'ny fiangonana FPVM. Niaiky izy ireo fa mihatanora ireo olona mandray izany eto amintsika no sady tsy mitsahatra ny mitombo isa ihany koa. Ny 11,3%-n'ireo mpanjifa dia ankizy 13 ka hatramin'ny 15 taona avokoa raha araka ny fanadihadiana natao. Ny 14,8 % dia vehivavy raha 38,7% ny lehilahy. Mahatratra 8.300 isa isan-taona ireo Malagasy mamoy ny ainy vokatry ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky noho izany raha tafakatra 8 tapitrisa isan-taona maneran-tany. Ny 1 tapitrisa amin'ireo dia tsy mpifoka fa olona mifandray na mifanerasera amin'ireo miankin-doha amin'izany. Na izany aza anefa dia tsy kivy ny Sampana Fanantenana fa miezaka hatrany ka teny Analakely indray no nanaovany fanentanana afak'omaly Sabotsy 31 May. Ankoatra ny ankizy sy ireo tanora vao misandratra dia nentanina sy nampahafantarina ireo olon- dehibe ihany koa ny voka-dratsin'ny fihinanana paraky sy ny fifohana sigara ka anisan'ireny ireo karazan'aretina miisa 27 mety ho azo avy amin'izany. Mbola hitohy hatrany ny hetsika ho an'ny Sampana Fanantenana.
Pati
Légende : Aretina voalohany azo avy amin'ny fifohana sigara ny homamiadana ka tokony hotandremana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.