Actualités

SAMPAM-PAMPIANARANA IUGM Kilan’ny afo ny fitaovana rehetra


  • Zoma 01 Aogositra 2014

May nisy nandoro ny biraon’ny sampam-pampianarana IUGM avy eo anivon’ny oniversite Mahajanga ny alahady alina tokony ho tamin’ny 11 ora. Nandritra ny fizahana nataon’ireo mpitandro ny filaminana no nahitana «seringue » roa tao anatin’io birao io izay nahenona fofona lasantsy

Kila avokoa ireo fitaovana fiasana ao amin’io sampam-pampianarana io toy ny solosaina iray, « climatiseur » ary ny antontantaratasy maro samihafa mikasika ireo mpianatra mianatra ao. Maro ny mametra-panontaniana amin’ity tranga ity. Manoloana io biraon’ny oniversite Mahajanga io mantsy dia misy mpitandro ny filaminana sy mpiambina tsy miankina miandry io toerana io. Tsy mbola milamina mihitsy ity raharahan’ny oniversite ity satria dia mbola mitohy hatrany ny fanapotehana ny fananana sy ny fandrahonana maro samihafa eo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany. Ireo mpandraharaha koa mbola manohy ny fitokonany. Ny mpampianatra eo anivon’ny anjerimanontolo dia efa nampilaza fa hifarana tsy ho ela ny fampianarana amin’ity taona 2013-2014 ity. Ny mpianatra mpitokona mbola mitaky hatrany ny famerenana ny fampianarana ary mbola miandrandra ny fanadinana afaka telo volana izay voarakitra ao anatin’ny drafi-pandaminana napetraky ny minisiteran’ny fampianarana ambony farany teo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT