Actualités

Sambokely Maorisianina nisy olana Avotra ireo tanora vao erotrerony efatra


  • Talata 14 Febroary 2023

Taorian'ny antso vonjy nalefan'ny Maorisianina miisa 4 tao amin'ny sambo izay nentin'izy ireo, dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny tafika an-dranomasina Malagasy ny alahady 12 febroary, hoy ny fampitam-baovao.

Saika handeha hanjono tamin'irony sambo kely haingam-pandeha na "Speed Boats" irony izy ireo ary efa tamin'ny 5 febroary no niala tao Grande Baie (Maorisy). Nisy anefa ny antso vonjy izay nataon'ny iray tamin'ireto tanora ireto izay eo anelanelan'ny 22 hatramin'ny 36 taona. Raha ny nolazain'ireto zatovo ireto dia nisy ny fahasimban'ny milina mampandeha ny sambo ka noviravirain'ny onjan-dranomasina sy natosiny nanamorona ny sisin-tanin'i Madagasikara ilay sambo kely. Novinavinain'ireo mpamonjy voina sy ny tafika an-dranomasina ny lalana sy ny toerana mety nisy azy ka raikitra ny famonjena ireto farany. Nifanome tanana tamin'ny fandrindrana sy fanavotana azy ireo teo anivon'ny CROSS La Réunion, ny JRCC Mada, ny CRFIM (Centre Régional de Fusion des Informations Maritimes), ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale). Ny sambo mpitatitra kaontenera Hasted no nandray azy ireo ary nafindra tamin'ny Patrouilleur Côtier Malaky an'ny Tafika an-dranomasina. Tonga soa aman-tsara teny amin'ny seranan-tsambo an' Antsiranana izy ireo omaly maraina, ary natolotra ny tompon'andraikitra ny fanohizana ny fikarakarana sy fandraisana an-tanana azy ireo, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT