SAMBO SRI-LANKAIS

Nogiazana, mandoa lamandy 1,050 miliara Ar


  • Alarobia 08 Mey 2024

Sambo Sri-lankais miisa roa no fantatra fa nanjono an-tsokosoko taty amin’ny

fari-dranomasin'i Madagasikara, andro maromaro lasa izay. Tratra izy ireo niaraka tamin’ireo mpanjono tao anatiny ka nivoaka omaly Talata 09 May ny didy. Nogiazana ireo sambo roa ireo izay mitondra ny anarana Ruth Baby sy Ruth Baby 3. Mandoa lamandy Ar1,050 miliara isaky ny olona ihany koa ireo voakasika ary lela-vola 900 tapitrisa Ar isaky ny fesotsy na dauphin efa nojonoiny. Ankoatra ireo voalaza etsy ambony ireo dia mbola migadra 02 volana an-tranomaizina ihany koa ireo mpanjono an-tsokosoko ireo.Nomena ny Ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga kosa ireo sambo roa nampiasain'ireto mpanjono tsy ara-dalàna ireto hampiasainy amin’ny fanaraha-maso ny jono eto amintsika. Tsiahivina moa fa mbola ireo karazan-trondro sy hazan-dranomasina mampiavaka antsika eto Madagasikara hatrany no nokendren’ireto mpanjono an-tsokosoko ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany tamin’ireo sambo tratra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT