Actualités

Sambo nitondra jirofo … “niniana nalentika” 600 tapitrisa Ar no very, hoy ilay depiote


  • Alatsinainy 14 Jolay 2014

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao Toamasina ny depioten’i Mananara Avaratra sy ireo mpiara-dia aminy ny faran’ny herinandro teo

nilazany ny heviny manodidina ilay sambo kely “Rowilla” nitondra jirofo rendrika tany amin’ny fari-dranomasin’i Soanierana Ivongo tamin’ny tapatapaky ny volana jona lasa teo iny. Nahitsy ny teniny : niniana nalentika ny sambo ary nangalarina ny jirofony ka nahavery ny volany 600 tapitrisa Ariary. “Tsy izahay niharan’ny halatra sy fanodinkodinan’entana indray no hipetra-potsiny fa nitory hitadiavana ny marina”, hoy izy. Fantatra etsy an-kilan’izay fa mbola hisy fisamborana olona hanaovana fanadihadiana hikarohana ny marina. Marihina fa 13 no efa tanana am-ponja vonjimaika ao anatin’ity raharaha ity. Milaza ny fianakavian’izy ireo fa misy ny fanavakavahana, satria “misy olona niniana tsy nohenoina mihitsy sy navotsotra tsotra izao”.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT