Actualités

SAMBO NAHIANA NISY “EBOLA” AVY ANY LIBERIA Tsy navela niditra tao Toamasina


  • Zoma 22 Aogositra 2014

Nampisy resa-be sy tahotra teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny vahoakan’i Toamasina amin’ny ankapobeny, noho ny fiparitahan’ny resaka haingana be omaly tontolo, ny mahakasika ity sambo mitondra kaontenera avy any Liberia firenena misy sy mijaly amin’ny firongatry ny valanaretina “Ebola”.

Nikoropaka ihany koa ny fitondram-panjakana nefa mbola niandry ny fanapahan-kevitry ny eny Ambohitsirohitra ny tao Mahazoarivo vao nandray fanapahan-kevitra nanakana ny sambo omaly tamin’ny 1ora maraina, tamin’ny alalan’ny minisitry ny fitaterana. Raha ny fandaharam-potoan’ny sambo anefa dia ny mangiran-dratsin’ny omaly no tokony nidirany, ka noho io baiko nidina io dia niantsona teny afovoan-dranomasina aloha izy ireo nandamina ny raharaha, nefa tsy nisy hevitra mihitsy noho ny baikon’ny fanjakana Malagasy ny fanakanana ny fandraisana ity sambo ity hampidina ny entana nentina. Vokany, hampidina ny entana any amin’ny seranana hafa ity sambo ity ary any indray no haka ny entany ireo mpandraharaha Malagasy manana entana ao anatiny, anisany ny orinasa Mictsl. Ankoatra izay, niely ny resaka tao Toamasina omaly fa hitondra olona voan’ny Ebola eto amintsika ity sambo ity. Na teo aza anefa io resa-be io dia tsy nisy ny fanazavana ny raharaha nataon’ireo tompon’andraikitra samy hafa, izay miteraka tahotra amin’ny mponina ankehitriny. Raha ny fantatra dia ny 31 jolay io sambo io no tokony efa nihantsona tao Toamasina, saingy noho ilay valanaretina “Ebola” dia nampiandry izany 21 andro aty aoriana ny tompon-tsambo vao nandefa izany eto amintsika, satria 15 hatramin’ny 21 andro no fitrangan’ny aretina aorian’ny fidirany ao amin’ny vatan’ny olombelona, hoy ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana na ny OMS.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT