Sambo Keniana tratra nanjono an-tsokosoko

Nogiazana, nahatrarana antsantsa 250 kg….


  • Alakamisy 11 Jolay 2024

Sambo Keniana iray no tratra nanjono an-tsokosoko tany amin'ny fari-dranomasina antsoina hoe :

Bance du Leven », tany amin'ny 87 km, avaratra andrefan'ny Nosy be, izay mbola tafiditra ao anatin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara. Raha araka ny vaovao azo dia miisa 08 ireo mpanjono tao anatiny izay tera-tany keniana ny 03 ary Srilnkey 05 ambiny. Manana halava 14,25 m ity sambo ity raha 4,98 m kosa ny sakany ary milina manana tanjaka 160 Cv no mampiodina azy.Hazan-dranomasina antsantsa anaty lagilasy, milanja 250 kilao, no tao anatiny. Maromaro koa ny vombon’antsantsa sy sira manodidina 150 kilao teo ho eo. Tafiditra ao anatin’ny karazana hazandrano harovana ary ahina ho lany tamingana ireo, ka tsy azo trandrahina raha tsiahivina kely.Tsy manana fahazoan-dalana hanjono aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara moa ity sambo ity. Sazy miandry azy ireo ny fandoavana lamandy 900. 000. 000 Ar hatramin’ny 2. 100. 000. 000 Ar. Nogiazana avy hatrany ilay sambo ary notaritina nihazo ny seranan’i Nosy-Be, Faritra DIANA.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay sambo tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT