Actualités

Sambo “Baltic Marcur” Tsy nitondra Ebola indray, tafiditra tao Toamasina ihany


  • Alakamisy 28 Aogositra 2014

Omaly maraina no niditra tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ilay sambo mitondra ny saina rosiana “Baltic Mercur”, izay nandalo tao Monrovia renivohitry’i Liberia anisan’ireo firenena ao afrika andrefana misy ny trangan’aretina “ebola”. Ny naoty mitondra ny laharana 01-Ebola-MSANP/MIN ny 23 aogositra 2014,

araka ny fangatahana tonga teo anivon’ny praminisitra nataon’Atoa Dumant Jerome misahana ny sambo mitondra ny laharana 14/1133/MSANP/SG/DRSP/AA.ATS ny 22 aogositra 2014, ary voarain’Atoa Dumont Jerome ny 26 aogositra 2014, ka izao niditra tsy nisy ahiahy ny seranan-tsambo izao ilay sambo omaly 27 aogositra maraina nampidina ireo entana nentiny, sy naka ihany koa ireo entana tokony hoentiny. Araka ny naoty mitondra ny laharana 145-MSANP/MIN ny 25 aogositra 2014 izay nosoniavin’ny praiminisitra Dr Kolo Roger ihany, dia milaza mazava ao anatiny, fa miray feo amin’ny ady atao amin’ny valan’aretina Ebola ny Malagasy, ka ny minisiteran’ny fahasalamana no tompo-marika voalohany; ka izay no nandraisana fepetra tsy nampidina ireo tantsambo, sy nandraisana fepetra ny fiarovan-tena ho an’ireo mpiasa ny MICTSL sy ny seranan-tsambo. Ny fanazavana ihany no nahalalana fa efa nanaovana fizaham-pahasalamana teny afovoan-dranomasina niantsonany ireo tantsambo, ka tsy nahitana soritr’aretina izany araka ny tatitry ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana niaraka tamin’ireo ekipan’ny minisiteran’ny fahasalamana ary ny teo anivon’ny “Institut Pasteur”. Ny zava-misy anefa dia tsy nahazoam-panazavana mihitsy ny momba ireo entana nentin’ilay sambo, izay tsy fantatra na mitondra ny tsimok’aretina noho fifampikasohany tamin’ireo olona marary sy mitondra izany tany Liberia. Ny olona hatreto no efa nahavitana fizahana, fa ireo entana kosa tsy nisy fijerena sy fisahanana azy manokana. Ahiahy tsy nisy ohatra izany ny teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina omaly, nalaky niparitaka teny anivon’ny vahoaka koa ny resaka ka nahatonga ahiahy be ihany koa tamin’ny mponina. Omaly hariva ihany dia niala tao Toamasina ny Sambo Baltic Mercur, araka ny fanazavana. Ankoatra izay, anisan’ny fitaovana nentin’ity sambo ity fiara mpamonjy voina fanomezana izay atolotra ny fiadidian’ny filoham-pirenena, ary ireo kojakojan’ny fitaovana fampiasan’ny orinasa MICTSL.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT