Tsy mipetra-potsiny araka ny feo mandeha fa tena mitohy ny fikarohana
ilay Sambo AW na Arfazdath et Windio izay tsy hita nanomboka 16 Jolay lasa teo raha nikasa ho any Anjouan Comores raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny APMF ( Agence Portuaire Maritime et Fluviale) Randrianantenaina Jean. Miisa 23 ireo tera-tany Malagasy ao anatiny. Any amin’iny Faritra Atsinanan’ny Afrika iny indray amin’izao no hanaovana ny fikarohana ka ankoatra ilay sambo Antsantsa izay miasa eny an-dranomasina dia mitohy ihany koa ny fitiliana amin’ny alalan’ny fiaramanidina avy eny ambony.Mikasika ilay sambo manokana dia notsiahiviny fa 100 taonina ny entana zakany, 50 olona no azony entina raha ekipazy ny 10 izay manana halavana 5 metatra sy velarana 23,4 metatra entin’ny motera manana tanjaka 180 CV. Tamin’io fivoahana nataon’ilay sambo AW io anefa dia nambarany fa olona miisa 30 no tao anatiny ka miisa 11 ny ekipazy. Entana 65 taonina ihany koa no nentiny izany hoe : tsy fenobe loatra araka ny tombana. Raha fehezina araka izany hoy izy taorian’ireo karazana fikarohana natao dia zavatra miisa 2 no ahiana ho mety nahazo ilay sambo. Voalohany mety tratry ny loza tampoka vokatry ny rivotra be teny am-pandehanana izy ka nilentika. Faharoa naodin’ny jiolahin-tsambo. Nisy mpandeha iray tera-tany Afghanistan ahiahiana mantsy. Raha ity farany anefa hoy izy no heverina dia tokony mbola ho afaka hiantso ireo mpandeha tao anatiny. Misy fitaovana hahafahan’izy ireo miantso amin’ny alalan’ny VHF sy UHF mba hiantso vonjy amin’ireo sambo namana na tompon’andraikitra manodidina mantsy ny Sambo AW. Mbola miandry izay mety ho vokatry ny fikarohana araka izany ny APMF. Fari-dranomasina manana velarana 302.960 Km2 moa hatreto no fantatra fa efa nanaovana fikarohana saingy mbola tsy nahitam-bokany.
Pati
Legende : Ilay Sambo AW mbola tsy hita sy ireo tera-tany Malagasy tao anatiny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.