Vola sandoka mitentina 3.240.000 Ar no tratra tany amin’ny distrikan’i Sambava. Ahitana 10.000 Ar miisa 24 sy 20.000 Ar
miisa 150 izy ireo ka omaly alarobia tamin’ny 05 ora maraina no nahitana azy tao amin’ny fokontany Nosiarina. Olona tsara sitra-po no nahafahana no nanome vaovao ny zandary ka nisambotra avy hatrany ireto farany. Jiolahy miisa 3 no tratra tamin’izany izay tompon’antoka tamin’izao fikasana hampiasa sy hanaparitaka vola sandoka izao. Sarona tamin’izany ihany koa ireo fitaovana nentin’izy ireo nanao ireo vola sandoka.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.